18
Mar
08

Asa mahavelona kosa kno!

Mety mbola ho gaga ve nareo raha teneniko hoe asa mahavelona mihitsy ny mangataka sy ny mivaro-tena amin’izao?  Ekeko aloha fa tsy ireo rehetra manao ireo asa ireo dia tafita avokoa e, fa ny ankamaroany kosa tena mahasahy milaza fa marina iZANY.
Ho anao izay mbola tsy mino ary dia inreto vokatry ny fanadihadiana natao hanome fanampim-pahalalana ho anareo.
Ho an’ilay voaloha dia tena miroboborobo tokoa satria iaraha-mahita fa mihamaro ny mpanao azy tato ho ato, indrindra eny Antaninarenina, eny Analakely sy analam-be rehetra eny, asa angaha na noho ny fitombon’ny mpitsidika vahiny eto amintsika na antony hafa mihitsy. Ho an’ny efa zokinjokiny dia tsy afa-manoatra fa mifidy toerana be mpandalo iray dia eo foana mandra-paharivan’ny andro. Ny mahafinaritra aloha dia samy mamorona sy manitatra araka izay azony atao izy ireny: misy ny mitondra zava-maneno dia mitendry na mihira na manao izy roa, sns…
Misy kosa indray dia tena ankizy eo amin’ny 3, 4 taona dia asain-dray aman-dreniny mibaby zaza menavava dia alefa eny ampovoan’ny arabe mangataka sy mitalaho mafy amin’ireo mpitaingina fiara rehetra mandalo sy ny mpandeha an-tongotra ihany koa. Ireo ray aman-dreny kosa miandry fotsiny ery am-pita mitango rehefa mahazo vola ilay zaza. Fantany tsinona fa tsy hahazo mihitsy izy raha mangataka. Olona sady tsy kilemaina no tsy antitra fa matanjaka dia ataon’ny olona fotsiny hoe ndehana miasa. Fa lay mampangataka zaza kosa tena mety satria miantra sy pmangoraka daholo ny rehetra ka tsy mahavita ny mijery amin’izao. Rehefa mahazo nefa ireo ankizy dia indrisy tsy omen’ny ray sy reniny vola akory fa ilaozany miloka sy misotro toaka fotsiny. Tsy tsapany intsony na kely na be ny vola ananany fa dia lany avokoa, ny mitsitsy rahateo moa tsy hainy.
Fantaro nefa fa raha kely ny vola azon’ireny mpangataka ireny dia eo amin’ny 3000Ar isan’andro eo saingy rehefa mahay mangataka sy sendra ny tsara vintana dia mahatratra ny 420000Ar ao anatin’ny iray volana. 
Raha ny mpivaro-tena indray no resahina dia misy karazany telo: ny tsotra,  ny mihaja ary ny raikitra izany hoe lasa sipa.
Rehefa natao ny fanadihadiana ho an’ny mpivarotra  tsotra ilay mpijorojoro hariva eny Tsaralalana sy Antaninarenina dia eo @20000 ka hatramin’ny 120000Ar isan’alina no azony.
Ho an’ireny ilay mpakany amin’ny boite sy bar ireny indray modimody miavona be nefa manao interessante sady tena provocatrice be ireny dia tsy lazaina intsony fa efa amin-tapitrisany maro no azony.
Rehefa azoazon’ilay olona mividy kosa izy dia lasa raikitra indray ny asa. Tsy miasa maina izy tsy akory fa karama mivaingana toy ny finday, fanaka, fiara eny hatramin’ny trano mihitsy aza no ifanarahana.
Tsy mahavelona kosa ary ve izany hoy ianao.
Aiza ho aiza @’izany ny karaman’ny mpiasam-panjakana,  ny mpiasa birao sy mpiasa amin’olon-tsotra?


3 Responses to “Asa mahavelona kosa kno!”


  1. 1 sipagasy
    March 18, 2008 at 5:41 pm

    mahafinaritra ny fomba fijerinao kan! mahonena tokoa ny mahita ny ankizy kely mangataka nefa atao ahoana moa, efa mba nesorina sy nomena tany ahafahany mivelona ihany ny ray aman-drenin’ny ankamaroan’izy ireny (action du Père PEDRO)nefa dia kamo ny hisasatra e! vitan’ny mangataka ve ny fiainana???? hiankina fona veh fa tsy mba hihary e!?? mahonena.
    Ny @ mpanao anton’asa fivarotan-tena kosa dia misy karazany, ny ‘voatery’ satria tsy ampy ny karama @ asa raikitra ohatra(arrondir les fins du mois), ary ao kosa ireo izay manao io ho karazan’ny fialam-boly (just to have fun), anisan’ireny ohatra ny 2ème bureau!izay mahazo trano sns hoy ianao…. ho lava ny resaka fa aleo ho faranana e!

    Tohizo fa mahafinaritra hatrany ny asa soratrao e!

  2. 2 pakysse
    March 19, 2008 at 2:09 pm

    karenichia >ny tena hitako fa olana ho an’ny mpangataka anie dia ilay situation economique antsika e donc norma be ihany raha managataka ry zreo fa ho an’ireo mpivaro-tena kosa alao dia tsy mety amin’ny saiko satria olona maloto saina syb toe batana ireo

  3. April 11, 2008 at 4:50 am

    Mba saha kosa i karenichia manoratra momban’ireny mpivaro-tena ireny (VITSY MIHITSINY ny mpitoraka blaogy manoratra momban’io!!!). Hitako hoe mavita miotra non’ireny fonctionnaires ireny kalony ry zareo na mpangataka na mpivaro-tena!! Mahita vola, miasa mafy dia manao an’izay azo ataony! Mafy be ny fiainana ary raha toa ka misy choix hafa dia fantako fa ry zaroe no voalohany mialay an’io asa io .

    R.E.S.P.E.C.T


Leave a comment


March 2008
M T W T F S S
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31