Tsy hoe niverina tamin’ny andron’ny Ntaolo isika amin’ilay fivelomana ara-takalo na miresaka an’ireny olona mitondra entana fampiasa ao an-dakozia ireny dia mandondona isam-baravarana hanakalo ireny entana ireny ho lamba tonta a! Toe-tsaina tsy hita izay mahatsara azy nefa sarotra ialana no vontoatin-dresaka androany.
Saingy en passant, tsara kokoa raha mba azo natao ny niverina tamin’izany andron’ny takalo izany dia angamba ho tsaratsara kokoa noho izao ny fiainantsika malagasy. Hoy nareo izao hoe mba attardee mihitsy koa ilay mpanoratra. Izany ve dia mba ho tsara? Marina fa nisy ny hafetsifetsena tamin’izany. Izao kosa anefa ny fitiavan-tena diso tafahoatra no manjaka. Ka iza no tsara?
Ilay toetra miandry valiny foana izay rehefa mba manao soa olona no tian-kasian-teny kely. Tsy voatery hoe vola, harena, na zavatra mivaingana no andrasana fa mety koa ohatra hoe fanerena an-kolaka fiarahana. Tsy mazava? Ohatra: Rabe nampindrana vola an-dRakoto mianakavy fa latsaka an-katerena ry zareo, tsy nangataka na inona na inona izy fa ho setriny kosa dia lasa vadiny rakalakely zana-dRakoto taty aoriana. Mety hiteny ianao hoe ny hadalan-dRakoto izany fa tsy nisy nanery azy saingy fantaro fa na nisy resaka tany ambadika tany entre n’i Rabe sy Rakoto na nisy fifanarahana mihitsy amin’izay tsy efaina intsony ilay trosa. Ny azo antoka aloha dia an-kavitsiana na zara raha misy ny olona no mba manao soa olona anakiray ka tsy miandry takalony na valisoa avy amin’ilay ampiana. Hoy indray nareo hoe lojikan-javatra anie izany e! Ho ahy anefa ny tsirairay samy manana ny lojikany. Sady tsy adala koa anie ilay olona ampiana e! Hainy foana ny mamaly izany rehefa misy ny hamaliana azy. Rehefa tsy misy bazon’io olona atao anefa dia mazana lasa niavona ilay nanampy fa heveriny ho tsy reconnaissant ny olona iray raha tsy manolotra zavatra na teny fanomezan-toky sns ho azy. Mahavariana.