Efa toetra raiki-tampisaka mihitsy ve sa tsy tia fivoarana ny gasy?

Mahafinaritra aloha fa averina ao anaty fandaharam-pianarana indray ny fahalalam-pomba sy fianarana fahaiza-miaina. Marina kosa aloha fa misy tsirony sy mahafinaritra ny manao fanahy iniana manao izay andrarana nefa misy fetrany ihany izany. Dia tsy mahamenatra ny gasy sasany akory ny minia mivalan-drano na manary fako eo ambany takela-by mandrara hoe: TSY AZO ATAO NY MIVALAN-DRANO NA MANAO MALOTO ETO FA MAHAVOA SAZY. DINA: 5 000Ar. Manandrama ange hoe miteny ireny olona ireny e! Ianao indray no ompany sy vonoiny. Ny sasany mihomehy fotsiny. Tsy mahagaga raha mitazana fotsiny ny olona manoloana ny toe-javatra toy ireny. Vao omaly aho no tany amin’ny namako dia misy takela-by manoloana ny rindriny hoe: TSY AZO IVAROTANA ETO. Eo alohan’ny tranony nefa tsena fotsiny. Ny varavarana avy eo dia tsy azo vohaina fa misy mpivarotra eo dia tsy maintsy mihodidina avy any ambadika rehefa hiditra any amin’izareo. Nalaiko sary mihitsy fa mbola ho entikon eto amin’ny manaraka. Efa nankany amin’ny fokontany izy noho izany ary tsy vao indray mandeha fa nolavin’ny fokontany foana ny fangatahany. Tsy misy aleha hono ny mpivarotra, sady mampalahelo no tsy misy fidiram-bola afa-tsy io no sady mba tombony hoan’ny manodidina koa ny fisian’izy ireo satria tsy mila mandeha lavitra rehefa miantsena. Mampalahelo tokoa ny mpivarotra saingy raha ny manam-pahefana tokony hanala ireo olona ireo aza moa no miaro azy sy mamela azy malalaka hanao izay tiany. Hoy ny mpampianatray tamin’ny kilasy famaranana hoe, ho lasa fanjakan’i Baroa ny firenena. Tsy mahagaga raha mbola eto foana i Madagasikara raha ohatr’izany foana ny fandehan-javatra. Ny fanimbana fananana iombonana manginy fotsiny. Mahasosotra e? 



One Response to “Toe-tsaina tsy mampandroso”  

  1. 1 simp

    firenen’ny “moramora” ozy ny ol :)

Leave a Reply