Ny skoto dia fomba fitaizana tena misokatra ho an’ny rehetra ary mahazo miditra ao daholo na iza na iza ankoatran’ny hoe olona adala angaha. Manomboka amin’ny fahazaza dia efa azo raisina ao avokoa. Misy fiteny hoe rehefa tafiditra ao ny olona na ankizy iray dia sarotra ho azy ny miala. Misy ihany anefa ny tsy mahatanty dia miala an-daharana satria nahazo sezdra mafimafy hono na zavatra tena tsy misy dikany akory fa tsy zakany dia niala izy. Raha ho ahy anefa aloha dia rehefa tratra indray mandeha dia aleo manohy satria very maina fotsiny ny herin-tsaina sy herim-po niaretana tao. Be dia be no diso fihevitra fa hoe malotoloto na somary ratsy taiza daholo ny skoto. Tsy maintsy misy izany satria saonjo iray lohasaha ka tsy ilaozan’izay tsy hisy iray hamarara. Ny fika anefa dia angalana fafiny daholo na somary mijaly kely aza. Iny mifitsy ary no tena matsiro rehefa hitanao sy hainao no mampiasa azy. Hoy ilay mpamorona an’io Fikambanana io hoe na mafy toy inona aza ny zavatra tsy maintsy atrehana iray dia atomboy amin’ny tsiky izany fa ho hitanao fa tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto e! Dia izao koa, tsy hoe ny mahantrahantra kely sy ny ratsy tarehy ihany no liana amin’ny skotisma fa ny tena marina ny hatsaran’ny fanahy koa anie no tena jerevana e!

Eto am-pamaranana dia entanina ny tanora rehetra na antitra na tanora na zaza fa tena manamboatra sy manefy toetran’olona ny fanaovana skoto. Dia entaninina isika rehetra fa tsy mampaditra izany io fikambanana io. Andramo ka izahao fa rehefa tena tsy tafa dia miala e.



One Response to “Tsy voatery hoe ny mihoso-potaka ihany no atao hoe skoto”  

  1. 1 pati

    d marna da marna tkou zan an! n tena mlay @ty kou nge de le mzesta am sasan oe zay efa zao, zay nanao anzao tao @skoto..d oe mafy b zan an!hihi! courage ze skoto e,mbl bobaka iany n surpriz miandr ao! ze mbl ts skoto ndray de manasa itsiriritra…

Leave a Reply