Kely sisa dia efa tsy ho betsaka intsony ny safidy eo amin’ny resaka sakafo eto Madagasikara. Aiza ve ka misy aretina daholo ty karazan-tsakafo rehetra ty. Nanomboka tamin’ny cisticercose amin’ny fraise sy cresson. Avy eo dia nalaza indray ny kisoa sy ny voavary ary ny akoho sy ny barika. Tsy hoe ireo ihany akory no aretina amin’ny sakafo hita voalohany fa iniana tsy resahina ny talohany. Nandripaka indray avy eo ny grippe aviaire, izao koa miparitaka ny aretina amin’ny hen’omby sy ny rononony. Manginy fotsiny ny tsy fahazoana mihinana trondro rehefa mandeha mankany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Manomboka eo Ihosy dia efa tsy misy izay tsy miresaka fa voapoizina ny trondro any amin’iny faritra iny. Tsy adino rahateo ny loza ataon’ny foza orana sy ny fanimbana voly ataony.
Amin’izao fotoana izao anefa dia efa mora miroaroa saina mihitsy ny gasy asa angaha na noho ny hasarotan’ny fiainana na antony hafa mihitsy.Vokatr’ireo rehetra ireo sy ny etsetra mbola sahaniny ary indrindra indrindra ny habibiana miseho amin’ny endriny maro eto amin’ny firenena toy ny fanolanana, ny vono olona mahatsiravina sy ny fanariana ny menaky ny aina any amin’ny fako sns dia maro ireo efa manontany tena sao lahy mba efa akaiky ny fara andro.
Ny olana tokoa tsy mba tonga irery fa vao miha miampy olana hafa sy sarotra kokoa hatrany.
ka ny fahitako azy, dia tena tsy mbola manara-penitra ny fanaraha maso ny sakafo any amintsika e! tsy misy labo afaka manome ny’top’ hoe afaka varotana ho an’ny mampifa ireo entana ireo fa dia tena mbola ‘bio’ tsy voaara maso e!!!! mila fepetra raisina ny fanjakana, ny abatoire ilaina, nefa koa tsy tokony varotana @masoandro be ny hena fa mba anaty vata fampangatsiahana sns e!!! mila fitaovana manara-penitra e!