08
Apr
08

Nosy maitso…

Maitso mira lokon’ny fanantenana. Rehefa miresaka hoe maitso dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny  tontolo madio, mangatsitsiaka sy feno zava-maniry mitondra hanitra mamerovero. Tamin’ny andro taloha dia ireo no tena nibahana ity nosy malalantsika ity saingy izao kosa dia iaraha-mahita ny fiharatsiny izay isika mponina eto ihany no nanimba azy. Soa ihany aloha fa tonga saina isika ka nanaparitaka eraky ny nosy ny amin’ny tokony hanarenana azy. Anisan’ny fanentanana atao amin’izany ny fambolen-kazo.

Mahagaga ihany anefa hoe mbola tsy niverina amin’ny laoniny foana ny ala sy faritra maitson’i Madagasikara raha ny habetsan’izay zana-kazo efa novolena izay. Karazana orinasa sy ONG ary Fikambanana tsotra maro izany miseho fahitalavitra izany fa namboly zana-kazo an’arivony. Tsy dia hoe ilay hazo akory no tsy vanona saingy ny marina dia tsy misy fanaraha-maso atao akory amin’ilay hazo vao avy novolena. Dia gaga ny rehetra hoe tsy ampy ve ny fanentanana ho an’ny fanarenana sy fitandrovana ny ala eto amintsika? Mieboebo ery mantsy rehefa lazain’ny vahiny hoe manan-karena ara-boajanahary Madagasikara nefa ny doro tanety, ny fanondranana hazo sarobidy ary ny fanaovana arina tohizana ihany. Ny tsy fanajana ny tontolo iainana moa dia manginy fotsiny. Amin’izao fotoana izao dia efa ampahafantarina ny rehetra indray ny amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny ”global warming”, asa aloha izay fepetra tokony horaisina fa antenaina tsy ho toy ny fomba fanao hatrizay hoe mafana fo am-boalohany nefa tsy misy fiantraikany akory avy eo. 

Dia anjarantsika taranaka izany ny manova ny tsy mety ataon’ny olona amin’izao fotoana iainantsika izao fa raha mbola ho tohizantsika ny fomba fanao izay hita fa tsy tsara dia isika no hizaka ny vokany toy ny ranomandry izay mitsonika haingana dia haingana any amin’ny pole nord sns.

N.B: tsy hoe poeta fa noezahana ny hanoratra amin’ny teny gasy ranoray saingy nisy tsy hay ka ho an’ireo mahay izany dia mba alefaso aty amiko ny dikany. misaotra E!!

Advertisement

2 Responses to “Nosy maitso…”


  1. April 11, 2008 at 4:44 am

    Impressing!
    Tena varina mihitsiny aho amin’ny engaement nao (inona moa ny traduction an’io?) ary tohizo fa ianareo no hanova ny tanana sy hanatsara ny rehetra.

  2. April 18, 2008 at 8:34 pm

    Jogany : “mety” ho fanoloran-tena ny engagement – tsy matoky tena loatra aho – fa azo atao ihany ihany koa hoe fidirana lalina 😛
    Karenichia, tsy voatery ho poeta vao mahatafavoaka lahatsoratra amin’ny fitenin-drazana ranoray fa aingam-panahy daholo izany. Midika fa tena izy – Madagasikara – no noeritreretinao mafy. Mandeha ho azy ilay izy. Teny malagasy mazava sady madio ka isaorana e !(jogany mahalala tsara an’ikalamako sy ny hasarotam-piarony amin’io tenindrazany io 🙂 )
    Ny ONG toa azo adika hoe fikambanana tsy miankina amin’ny fitondrana fa dia ONG no filaza azy eran-tany ka mety tsara io. Ny pole nord = tendrontany avaratra.
    Tsara be ilay lahatsoratra. Romboy !!!


Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out /  Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out /  Change )

Connecting to %s


April 2008
M T W T F S S
 123456
78910111213
14151617181920
21222324252627
282930  

%d bloggers like this: