Ny rehetra angamba dia mahalala fa anisan’ny tena mibahana ny Fandrosoana eto Madagasikara ny tsy fananana toe-tsaina liam-pivoarana sy tia karokaroka.
Ekeko aloha hoe be dia be ny Malagasy manam-pahaizana sy te handroso mafy nefa ny maro an’isa dia tsy toy izany avokoa. Soa ihany aloha fa efa misy fiketrehana ny hamerina indray ho ao anty fandaharam-pianarana ny Education civique fa io koa dia zavatra iray tena tsy voahaja mihitsy eto dago. Ohatra fotsiny ilay manao fanahy iniana mivalan-drano na manao maloto sy manary fako eny rehetra eny na dia efa misy takela-by mandrara izany aza. Etsy an-daniny koa matetika dia ireo mpanabe ihany no manao mpitari-bato vilam-bava. Ohatra hoe vao avy nandrara ny mpianany ny mpampianatra iray tsy hanarinary fonona vatomamy eny an-tokotanim-pianarana nefa rehefa mirava izy hitan’ny mpianatra manary taratasy fonona gouter avy eny am-baravaran-kelin’ny taxi-be,sns… Ny fanimbana ny fananana iombonana toy ny wc, douche public moa dia tsy lazaina intsony.
Fanampin’izany,ireo olom-bitsy sasany izay mitady hivoatra sy hiakatra zana-tohatra eo amin’ny fiainana dia atao izay haminganana azy tsy ahatody ny tanjony. Ny hafa indray tsy mahay maka tahaka fa izay ataon’ny any ivelany dia mba ataony koa na dia tsy mifanaraka amin’izany velively aza ny tranga misy eo aminy.
Ataoko angamba fa vitsy ny gasy tsy mahalala fa ny fanovan-toe-tsaina aloha no tokony handeha mialohan’ny rehetra raha tian-kandroso ny firenena fa asa angaha na noho ny hasarotan’ny fiainana fa dia mifampitazana fotsiny raMalagasy ary ny fitiavan-tena no tena mibahana ao amin’ny tsirairay. Mampalahelo ilay toe-javatra saingy raha mbola vao any amin’ny resaka fanovana toe-tsaina aza dia efa mametraka olana toy izao koa mainka fa rehefa hiresaka ny amin’ny firaisan-kinan’ny rehetra mba hioharana ny tsy mety.
Raha tsy tontosa izay dia ho sarotra ny hametraka paikady ho amin’ny fivoarana eto amintsika, tsy voatery hoe ara-ekonomika ihany fa indrindra indrindra ny fivoaran’ny maha-olona.
tena ilaina tokoa ny fiovan-toetra aloha, izany hoe ny fahazaran-dratsy no ialàna voalohany. Io anefa tsy ho vita eo ny ho eo fa tena ilaina finiavana tokoa, koa samia ary mandray ny andraikiny, ary manitsy ny mpiara-belona aminy e!!!!!!
Am-pitsikiana hatrany e!
Ny ahy indray aloha ny hevitra dia tsotra momba io : ny zavatra ataon’ny zanaka dia izay zavatra ataon’ny ray aman-dreniny, ka izay zavatra ataon’ny mpitarika sy ny tompon’andraikitra dia mazava loatra ataon’ny vahoaka.
Maninona moa ireo olona majinika no hiova ny fisainany raha ilay tokony ho modely aza manao ny ataony ?