26
Apr
08

Miaina ao anaty nofy: tsy maintsy mandalo amin’izany daholo ve ny rehetra?

Ao anatina fotoana tena tsy mazava mihitsy ity olona iray ary rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa hay tsy izy irery no mandalo izany fa ny ankabeazan’ny olona nanontaniana dia nandalo teo avokoa. Noho izay antony izay dia tiako ho zaraina ilay izy ary indrindra indrindra hanontaniana ny hevitry ny mpamaky rehetra satria ny hevitry ny maro hono tsinona mahataka-davitra. 

Taona vitsy saingy volana marobe izao io olona resahako io dia toa lasa an’eritreritra matetika ary varimbariana lava. Toa miaina anaty nofy izay izy ary te hifoha mafy nefa tsy mety. Tsy matory anefa izy amin’izany fa toy ny olon-drehetra ihany. Matory dia mifoha dia misakafo sy mianatra ary miasa ihany koa. Ny olana anefa rehefa atao ny fadinihana dia toa mahatsapa tena ohatry ny tsy nanao n’inon’inona mihitsy izy ary na ireo fanaony andavan’andro ary dia toa tsy iainany akory entin’ny fahazarana fotsiny. 

Rehefa nitantara ny olany tamiko io olona io dia navaliko azy fa efa nandalovako ny toy izany ary ny tsara atao indrindra dia tsy eritreretina be ilay izy. Tsy nandaitra taminy anefa io toro hevitro io saingy tsy hiatako intsony izay azoko natao azy. Azoko tsara ny manjo azy ary azon’ny olona akaiky azy rehetra koa. Saingy ny marina dia tsy ho mitovy mihitsy ny tranga satria hafa izy, hafa aho ary toy izany koa ny namana sy tapaka efa nandalo io nofy tena lava be io.

Mety holazainareo ho adala aho raha tsy mitovy hevitra aminay ianareo na hoe tsy nandalo tamin’izay efa nolalovako sy lalovan’io olona io amin’izao ianareo. Na izany aza anefa dia raisina an-tanam-polo daholo izay mety ho soso-kevitra na torohevitra avy amin’ny rehetra.

Advertisements

1 Response to “Miaina ao anaty nofy: tsy maintsy mandalo amin’izany daholo ve ny rehetra?”


  1. May 3, 2008 at 12:27 pm

    iza aho va nahita an’izao dia ahona izy rehefa miasa sy mianatra? tadidiny daholo ve ny zavatra ataony?ok hotrany izaho indray no be fanitanina. Tokony mandeha mijery mpitsambo izy angamba na hoe manao sport be.
    zay aloha fa rehefa mhita aho dia miverina eto!


Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s


%d bloggers like this: