26
Apr
08

Zanakavavy sy reny: sakay sy maso

Matetika dia eritreretin’ny olona hoe tsy maintsy mifanakaiky sy tena mifandray be foana ny zanakavavy sy ny reny. Ankoatry ny hoe renikeky sy zana-bady io an! Tsy marina anefa izany satria tsy vitsy ny reny sy zanakavavy tena tsy manana fifandraisana mihitsy. Eny e, tsy hoe tsy mifampiresaka mihitsy akory no tiako tenenina eto fa mifampiteny ihany saingy tsy mifankahazo resaka mihitsy. Ny antony? be dia be: ohatra fotsiny hoe nandalo fianarana maharitra kokoa ohatra ilay zanakavavy miohatra amin’ny reniny, eo koa ilay hoe tena samihafa be mihitsy ny fomba nampianarana sy nanalehibeazana an’izy mianaka. Mety koa hoe tsy tena niriana ilay zaza sy ny sisa. Misy anefa ary tena tsy vitsy ny zaza nateraka tamin’ny fotoana niandrasana azy, efa lehibe ilay ankizivavy izao ary sady tsy ratsy tarehy no eo ho eo ihany amin’ny fianarana. Tsy manana fifandraisana tsara amin’ny reniny anefa izy ary miteraka olana goavana eo amin’ny fiainanay ilay izy satria rehefa tojo olana izy dia tsy hitany izay mba hitarainana. Ny rainy miasa, ny reny tokony ho akaikin’ny fony tsy hita ianteherana. tTsy hoe rehafa manana olana ihany akory izany fa izay tranga miseho eo amin’ny fiainany koboniny ho azy irery daholo. Tsy misy tsy mahalala hoe manimba tsikelikely ny fitazomana fihetseham-po ho an’ny tena samirery. Izao ilay ankizy na tokony hahay sy ho tafita aza dia nanjary toa verivery tadidy sy varimbariana foana. Tsy vitan’izay anefa fa rehefa lavo ilay ankizy dia vao miha ampian’ilay reny tsy niraharaha taloha hoe: zaza ratsy taiza, vendrana sy ny fanambaniana rehetra. Ny vono izany manginy fotsiny. Olona iza moa no mbola aharitra amin’izany raha tsy dia efa fo vato angaha? Iza anefa moa no nanalehibe azy tsy ilay Ray sy Reny ihany. Toe-javatra mampalahelo satria ny nantenain-kanirina indray no vao miha mampivandravandra. Marina fa samy manana ny fomba fitaizany ny olana fa mampanontany tena hoe mbola fon-dreny ihany ve izany?

Advertisements

2 Responses to “Zanakavavy sy reny: sakay sy maso”


  1. May 3, 2008 at 2:00 pm

    Ny tena mamaplahelo koa dia betsaka ny tsy maintsy resahana any amin’ny reny rehefa vehivavy ianao. Ohatra fotsiny hoe ny resaka namana lehilahy ka miditra étape vaovao. Betsaka ny zavatra hainy ny reny nefa tsy vao teny mihitsiny dia lasa mandeha mitonatonana rery ilay ankizy….hmmmm

  2. 2 simp
    May 15, 2008 at 10:30 am

    Toa ohatr’zany doly refa miala sakana ngambany e. Mieritreritra be hoe tsy rarahian’ny ol… te hi-revolte mafy sns… nandalo teo koa ny reninao, koa aza atao personelle be ny ady fa mandalo ihany io. Tia anao foana izy na dia tsy izay loatra aza ny any antsainao sy ao amponao.
    Ra te hiresaka enao, fidio fotsiny ny fotoana tokony hiresahana aminy, ny approche-nao… mety foana io fa aza kivy zany 🙂


Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s


%d bloggers like this: